Actualités

Fitantanan-draharaham-panjakana sy angovo Nampanantena 41 tapitrisa euros ny Eoropeanina


  • Alarobia 05 Oktobra 2022

Nanatanteraka fitsidihina ara-pomba fanajana ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo tao amin’ny biraony tao Antaninarenina ny Ambasadaoron’ny Vondrona Eropeana,

Ramatoa Isabelle Delattre Burger omaly 04 oktobra. Ankoatra ireo dinika momba ny PEM (Plan Emergence Madagascar) sy ny mety hisian’ny famatsiana tetikasa, dia noresahina nandritra ity fotoana ity ihany koa ny programam-piaraha-miasa eo amin’ny roa tonta izay maharitra 4 taona, ka ny 41 tapitrisa euros dia natokana ho an’ireo programa mahakasika ny tamberin’andraikitra : anisan’izany ny fanatsaràna ny fitantanam-bolam-panjakana izay mitentina 17 tapitrisa euros, eo ihany koa ny fanampiana ny JIRAMA sy ny ADER ary ny BACE, hoy ny tatitra. Mahatratra 325 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola nampanantenain’ny Vondrona Eoropeanina ao anatin’ny 4 taona, raha ny resaka teny Iavoloha tamin’ny fitsidihan’ny Ambasadaorony ny Filoha, saingy heverina fa mbola arahina fepetra maro ny famoahana an’ireny. Ankoatra io, nihaona tamin-dRamatoa Minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola ihany koa ny Solotena Maharitry ny IFC (International Finance Corporation), Ramatoa Marcelle Ayo, ho fanomanana ny fivoriam-be isan-taonan’ny Banky Iraisam-pirenena any Washington ny 10 hatramin’ny 10 oktobra 2022 izao, handraisan’I Madagasikara anjara. Hisy ny fihaonan’ny delegasiona izay tarihin-dRamatoa Minisitra amin’i Filoha Lefitry ny IFC ho an’ny Faritra Afrika, Andriamatoa Sérgio Pimenta, hoy hatrany ny tatitra.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT