Actualités

Fitandrohana an-dRamose EPS Ataovy veloma ny vaton’ny mpampianatra e !


  • Alarobia 23 Febroary 2022

Vaovao isan’ny nitana ny sain’ny maro ilay tsy fitovian-kevitra teo amin’ny Depiote MAPAR voafidy teny Antananarivo Atsimondrano Atoa andry Ratsivahiny sy

ilay mpampianatra ny taranja ara-panatanjahantena na EPS Ramose Njara. Samy manana ny heveriny fa marina, saingy niteraka fahasorenana sy fahatezerana ho an’ny mpampianatra sy ny ankamaroan’ny olom-pirenena ny endrika nisehoany. Nandeha ny fanambarana sy ny fanamelohana avy amin’ny Sendikan’ny mpampianatra EPS sy ny Sendikan’ny mpampianatra amin’ny ankampobeny. Hatramin’ny minisitry ny fanabeazana dia toa nanome felaka tehamaina ankolaka, raha heverina fa fanasaziana ilay mpampianatra no nandrandrain’ilay olom-boafidy mpomba ny fitondrana. Maro no nanasokajy ilay fihetsika ho fanambaniana sy fanivahivana ny mpampianatra, ary teo ihany koa ilay fanapariahana ankitsirano ny horonantsarin’ilay mpampianatra tsy nahazoana alalana. Misy akony ara-politika io, ary manaratsy endrika ny Fitondrana TGV-MAPAR, naman’ny veloma hatreo ny vaton’ny mpampianatra amin’ny fifidianana ho an’ny Fanjakana Rajoelina. Mahatezitra sy mandona ny hambom-pon’ny ny mpampianatra sy ny mpanabe, izay efa sady atao kely karama ireny, ary efa maro no tofoka amin’ny fihetsika mamoafadin’ny Fanjakana sy ny manam-pahefana momba ny fanabeazana. Isan’ireny io raharaha fandokondokoana ny efitranon-tsekoly amin’ny loko politika io. Angaha ny mpampianatra sy ny mpanabe TGV avokoa kanefa tsy maintsy manaraka sy mampianatra anaty efitrano miloko politika? Misy fenitra tokony harahina izany loko ampiasaina amin’ny efitranon-tsekoly izany, saingy tsy te hahalala izany ny Mpitondra. Ny lalàmpanorenana ao amin’ny andininy faha-39 dia milaza mazava fa ny “Ny Fanjakana no miantoka ny tsy fiandaniana ara-politika amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana, ny Foloalindahy, ny Fitsarana, ny mpitandro filaminana, ny fampianarana ary ny fanabeazana”, saingy ilay fanjakana mihitsy ankehitriny no mandoko volombosary ny fanabeazana. Moa tsy efa izany ve no nanakianana ny TIM tamin’ny fotoan’androny raha nanao ny TIM fanabeazana ?
OMEO HAJA SY HASINA
"Amiko dia tsy ato amin’ny facebook no handaminana ny olana mahakasika ny tokantrano, ny fiarahamonina, ny Firenena, ny finoana », hoy ny minisitry ny fampianarana Rtoa Sahondraharimalala Marie Michelle, omaly manoloana ity raharaha ity . « Tsy anjarako ny manome lesona momba ny fitondran-tena, ny fitaizana satria samy tompon’andraikitra amin’ny teny, fihetsika ataony isika lehibe. Kanefa mahakasika fanabeazana ity raharaha ity izay tsy averina intsony hoe andry iankinan’ny Firenena. Ny mpampianatra no antoky ny fampitana ny fahalalana amin’ny zanantsika. Tsy maintsy arovana izy. Omeo ny haja, ny hasina, ny lanja sahaza azy satria « Ny mpampianatra no naha toy izao ahy, anao, antsika». Teny kely ho fiarovana ny zon’ny ankizy: Aza afindra any amin’ny kilonga ny hatezerantsika. Atoroy ny lalana tokony alehany am-pitiavana izy", hoy ny Minisitra Sahondraharimalala Marie Michelle.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT