“Ny fampiroboroboana ny zon'olombelona dia ivon’ny iraka tanterahiko eto Madagasikara.
Manohy ny asa hiantohana ny zo fototra ho an'ny vehivavy, ny ankizy, ireo vitsy an'isa ary ny vondron’olona marefo manerana an'i Madagasikara i Etazonia amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin'ny fitondram-panjakana sy ny fiarahamonim-pirenena, ary ireo mpiara-miombona antoka hafa eto an-toerana”, hoy ny Masoivoho Robert Yamate nandritra ny fanokafana atrikasa momba ny fitandroana fandriampahalemana nokarakarain’ny Defense Institute of International Legal Studies. Satria mifantoka manokana amin’ny zon’olombelona eo amin’ny sehatra fandriampahalemana ny fiofanana dia nohamafisin’ny Masoivoho fa “zava-dehibe ny fanohizana ny fiarovana ny zon’olombelona fototra ho kofehy mampitohy ireo tantsoroka rehetra omenay eo amin’ny sehatry ny filaminana. Maneho ny fahavononany i Etazonia hiara-miasa amin’i Madagasikara hanohy izany ezaka izany ary hitady hevitra hampivelarana ny fiaraha-miasa amin’ny hoavy.” Avy amin’ny andiany mpitandro ny fandriampahalemana RECAMP (Renforcement des Capacités Africaines de Maintien de la Paix) ny ankamaroan’ireo mpandray anjara amin’ity atrikasa ity, izay hianatra, mandritra ity herinandro ity, mikasika ireo lafiny samihafa mifamatotra eo amin’ny lalàna sy ny didy aman-dalàna iraisam-pirenena mahakasika ny iraka fitandroana ny fandriampahalemana ataon’ny Firenena Mikambana sy ny Firaisambe Afrikanina.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.