Actualités

Fitampoha Doany Miarinarivo-Mahajanga Ahiana hisavorovoro


  • Alatsinainy 18 Jolay 2016

Tsy mbola fantatra mazava ny Ampanjaka hitarika ny Fitampoha efa-dahy manankasina eny amin’ny Doany Miarinarivo Mahajanga anio alatsinainy fotoana hanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fankalazana ny fanomezana hasina ireo Mpanjaka efa-dahy avy ao Boeny.

 

 Herinandro izay no tsy nisy filaminana tao amin’ny doany vokatry ny fametrahana ny Ampanjaka vaovao Rasoamody izay handimby ny Ampanjaka Jaofeno Richard izay mbola velona. Raha ny tantara sy ny antanantohatra ny fomban-drazana Malagasy dia miamboho ny Ampanjaka iray vao afaka miakatra ny Ampanjaka handimby azy saingy tsy izay anefa ny zava-misy ao amin’ny doany Miarinarivo Tsararano fa nipoitra tampoka avy any ity Ampanjaka Rasoamody avy any Betsioky ity. Tsy nanaiky izany ireo mpandalina ny fomban-drazana ka teo no raikitra ny disadisa. Teren’ny Ampanjaka fahatelo ao amin’ny doany apetraka eo amin’ny toerany ity Ampanjakavavy ity na dia efa tsy manaraka ny tokony ho izy aza ny fametrahana azy io ka niteraka fifandonana teo amin’ny an-daniny sy ny an-kilany. Ho hita eo ny tohin’ity raharaha ity.

 

Tolin

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT