Actualités

Fitakian’ny vadintany Mitady hisy hijapy hiarovana olon-tokana


  • Alatsinainy 14 Febroary 2022

Raha ny resaka nifanaovana tamina vadintany iray dia tena mihatra amin'ny asan’izy ireo mihitsy ny ataon'ny Fanjakana amin'izao fotoana izao.

Noraisiny ohatra voalohany ny tsy fanajana ny lalàna mikasika ny paika ady madio izay hanerena ny vadintany hanao asa (assignation, signification, commandement) hisava kara-panondron'olona, haka sary ny mpiady, raha tsy izany dia tsy eken'ny « greffe » ny « enrolement » n’ ny asa natao, izany hoe ny fihetsika maha tena izy sy marina ny zavatra ataonay no tsikerain'izy ireo, hoy ity vadintany ity, eo amin'ny fanatanterahana didim-pitsarana. Notohizany ny fanazavana ka hoy indrindra izy : « tsy afaka mampihatra ny didim-pitsarana mihitsy izahay indrindra raha akaikin'ny mpitondra isan'ambaratonga na miloko ny olona ampiharana didy. Eo ny intervention hatramin'ny assistant parlementaire, ny deputé, ny gouverneur, ny prefet, ny maire, ny conseiller municipal no manery anay sur terrain tsy hanatanteraka didim-pitsarana ary mihantsy sy manao teny mahery, indrindra mihantsy sy miantso Fokonolona ary hanao fitsaram-bahoaka ho anay .Ny tena henjana dia tsy mahazo mpitandro filaminana, araka ny voalazan'ny lalàna intsony izahay ; misy aza dia ny zandary mihitsy no mamerina ny olona efa voaroaka fa tsy nandalo tany amin'ny Prefe hono ny requisition-nay » . Tsara ho marihana anefa fa tsy maka alalana na voatery hanao tatitra any amin'ny Governora, Prefe, Depiote sy ny loholona na ny ben’ny tanàna ireo vadintany rehefa miasa fa ny lalàna dia milaza fa ny Procureur de la République sy ny Procureur général irery ihany no manana alàlana ampitsahatra ny didim-pitsarana iray raha heveriny fa hiteraka savorovoro izany. Ankoatr'izany, ny vadintany no irahin'ny Fitsarana hanao fiantsoana hitranga fitsarana (citation io na notification didim-pitsarana) sady ihany koa manao police d'audience, izany hoe manao ny fandaminana ao anatin'ny fotoam-pitsarana rehetra. Misy ny saran'asa voadidin'ny lalàna homena ny vadintany kanefa hatramin'izao, dia tsy mandoa izany ny fitsarana efa ho 4 taona izao, fa dia misa baojy daholo izahay ny hoy ny fanazavana. Nomarihan’ity vadintany ity anefa tsy maintsy ny fivoriambe (AG) no manapaka ny hanaovana fitokonana, saingy nisy taratasy filazana izay tsy nandalo fivorian'ny Birao na ny Mpitarika (comité Directeur) na ny AG akory, fa ny filoha sy olona ivelan'ny birao fotsiny no nanapaka sy namoaka ny taratasy fanaovana grevy Ny loza indrindra ary tena mahasosotra, hoy izy dia ampifangaroana amin'ny raharaha sy olana ataon'ny vadina Vadintany eo amin'ny Fitsarana sy ny polisy izy ity ary heverina fa hanakonana ny raharahan'olona tsy mpikambana sy tsy Vadintany, na koa hanerena ankolaka ny Fitsarana na ny Fanjakana hanalefaka izay fanenjehana ny raharaha kolikoly izay efa hitan'ny rehetra.
Nangonin’i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT