Actualités

Fitakiana etsy, fitokonana eroa Fanina tanteraka ny fitondrana


  • Alatsinainy 14 Mey 2012

Raha toa ka tsy sahy nitokona ny mpitatitra an-drenivohitra dia milaza ny mbola hanohy ny fitakiana kosa amin'ity alatsinainy ny Sempama.

 Tsy nahafa-po azy ireo moa ilay hoe omena tambin-karama 50 000 Ariary isan'olona, isam-bolana koa dia izay no antony hanohizana ny fitakiana. Mbola haresaka indray izany amin'ity anio ity eny amin'ny ministeran'ny fanabeazam-pirenena Anosy eny. Rahampitso talata koa dia manambana ny hitokona ireo mpitsabo, resaka mari-karama indray moa ny azy ireo. Tsy mbola vita mantsy hatramin'izao ny fanitsiana ny mari-karama nataon'ny fanjakana araka ny fitakian'ny mpitsabo. Ny sendikan'ny mpanao gazety ihany koa dia miroso amin'ny resaka fitakiana sy fanomezana fampitandremana, ka mety hilahatra eny Soarano sy Analakely eny rahampitso talata, raha toa ka tsy misokatra ny fanadihadiana momba ny raharaha Frequence Plus. Ny mpanohitra moa dia iny efa hita fa nahazo tsirony teny amin'ny kianjan'ny 13 mey iny, ny sabotsy sy ny alahady teo ka heverina fa tsy maintsy mbola hiverina hidina eny indray.

Tanjona ho azy ireo ny fahafahana maneho hevitra ao amin'ny kianjan'ny demokrasia Ambohijatovo. Tsy mety manome ny fahazoan-dalana ho amin'izany anefa ny manampahefana satria amin'izy ireo dia fanakorontanana izany, ary miendrika fanozongozonana ny seza sy fanonganam-panjakana. Ampahany fotsiny ireo, fa mety mbola misimisy ihany ny fitakiana sy fitokonana hipoitra tsikelikely ato ho ato. Efa tena mahatsiaro tena fa sahirana ny olona, matoa tsy mahandry tantana tahaka izany, ka manery ny fitondrana tetezamita hamorona ny tsy misy. Raha ny marina dia fametrahana ny fitoniana, fampihavanam-pirenena ary fikarakarana sy fanatanterahana ny fifidianana ihany no anjara andraikitry ny tetezamita. Be fihetsiketsehana amin'ny tetikasa isan-karazany anefa izy ireo, tahaka ny fanorenana kianja, hopitaly, fanamboaran-dalana. Nanome toky i Andry Rajoelina fa hahavita be ka dia noraisin'ny olona tamin'ny teniny, dia izao no vokany. Samy mangataka izay eritreretiny fa mety, ireo sendika hany ka manomboka fanina ny fitondrana tetezamita amin'ny fisafidianana izay tena laharampahamehana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT