71 tapitrisa Ariary. Io no vola lany tamin’ny fanamboarana ireo kianja fanaovana fanatanjahantena roa namboarin’ny orinasa QMM mpitrandraka fasimainty eo an-tokontanin’ny paroasy Masimbavy Louise de Marillac ao Tanambao Tolagnaro.
Ny iray natao filalaovana baskety sy volley ary hand, ny faharoa kosa kianja filalaovana kitra an’olona fito. Ny alakamisy tolakandro teo no nanolorana ireo kianja roa ireo. Mba hanampiana ireo tanora tsy hivarilavo amin’ny fisotroana sy fifohana zava-mahadomelina ary fanenjehana toeram-pandihizana no anisan’ny antony nanorenana ireo fotodrafitr’asa vaovao ireto. Tsapan’ny tompon’andraikitry ny paroasy sy ireo komitim-piangonana fa toa mirona tsikelikely amin’ny fitondran-tena tsy mendrika ny tanora, koa anisan’ny vahaolana hitan’izy ireo mba hamerena-doha ireo mivarilavo ny fanorenana kianja filalaovam-baolina. Nandom-baravarana tany amin’ny QMM ireo lohandohany ao amin’ny paroasy Tanambao ity. Tsy nanosi-bohon-tanana ny orinasa fa nekena avy hatrany ny fangatahana. Vita soa amantsara ny fotodrafitr’asa ary izao natolotra izao. Na ny Evekan’ny diosezin’i Tôlagnaro, Mgr Rakotozafy Vincent na ny Sekretera jeneralin’ny Faritra Anôsy, Ravelonandro Tsimbazafy Abdon Marie, na ry zareo ao amin’ny QMM dia samy nanipika ny mahazava-dehibe sy sarobidy ny fitaizana ny tanora izay antoky ny ampitso, ka tsy maintsy zarina amin’ny lalana tokony halehany.
Natiora OTH
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.