Actualités

Fitadiavana asa Itangoronana ny vavahadin’ny Zone


  • Alakamisy 24 Janoary 2013

Araka ny fanadihadiana natao dia mitombo tsy toy ny teo aloha indray ny isan’ireo olona tonga mitady asa eny anivon’ireo orinasa maro samihafa eto an-drenivohitra.

 Lohalaharana amin’ireny ny orinasa afaka haba na «Zone Franche» izay ahitana olona marobe tokoa isan’andro miandry eo am-bavahadiny ka vehivavy ny ankamaroany. Araka ny fanadihadiana natao tamin’ireo olona sendra anay teny Ivato nitady asa tamina orinasa afaka haba iray dia ny mba hahafahana miatrika ny fiainana amin’izao taona vaovao izao no antony manosika azy ireny hitady asa, indrindra fa ho an’ireo tsy nahita izany tamin’iny taon-dasa iny. Eo ihany koa ireo vao nanorin-tokantrano ary lasa dada na mama atsy ho atsy ka tsy maintsy mitady ankoatra ireo manana olana amin’ny tokantranony. Araka ny resaka nifanaovana tamin’izy ireo ihany anefa dia izay manam-bintana ihany no tafiditra amin’ireny «Zone» ireny. Telo isan-kerinandro mantsy raha betsaka indrindra ireo voaantso eo am-bavahady ny anarany ary tafiditra miasa raha efa tsy maintsy vitaina mialoha ny dosie. Vokany, misy amin’ireo mpitady asa no mahavita miandry asa mandritra ny enim-bolana, dia an-tongotra mandroso sy miverina isan’andro raha misy koa ireo vao tonga roa andro misesy dia voaray.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT