Actualités

Fisorohana ny tanora mba tsy hanaotao foana Maro ireo tolotra misy amin’izao vakansy lehibe izao


  • Alatsinainy 04 Jolay 2022

Efa miditra tanteraka ao anatin’ny vakansy lehibe isika eto Madagasikara amin’izao. Faly sahirana ny Ray aman-dReny amin’ny ankapobeny.

Faly satria miala kely amin’ny fifohazana maraina loatra sy ny rotorotom-piainana nefa sahirana ihany koa amin’ny fanaraha-maso ireo ankizy sy tanora mba tsy hanaotao foana. Rehefa tsy misy hatao tokoa mantsy ny ankizy na tanora iray dia lasa mirona any amin’ny fanaovan-javatra tsy mahasoa toy ny fandraisana na fidorohana zava-mahadomelina ohatra, ny fidirana amin’ny fanaovana firaisana ara-nofo aloha loatra, ny fiankinan-doha diso tafahoatra amin’ny facebook….Mba hahafahana misoroka izany indrindra dia nampiditra ny fampianarana teny anglisy ao amin’ny sekoly misy azy ny sekoly ambony ISSUP na ny Institut Supérieur Privé Professionnel etsy Behoririka. Raha araka ny fanazavan’ny filoha mpanorina ity sekoly ambony iray ity Rabaritsimba Lalaina dia haharitra 2 volana izany fampianarana teny anglisy izany na 30 isaky ny kilasy ihany no raisina. Raisin’izy ireo daholo kosa na ireo afaka bakalorea na tsia. Tsiahivina moa fa anisan’ny tenim-pirenena voalohany hampiasain’ny olona ankehitriny ny teny Anglisy ankoatra ny teny Frantsay. Ny teny Sinoa no manaraka aorian’izany noho ny fisian’ny ampahatelon’ireo tera-tany Sinoa miparitaka maneran-tany raha mitotaly 1,3 miliara izy ireo.
Pati
Legende : Rabaritsimba Lalaina, filoha mpanorina ny sekoly ambony ISSUP
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT