Actualités

Fisondrotry ny vidim-piainana Mampikaikaika ny olona !


  • Alakamisy 24 Martsa 2011

Araka ny fanadihadiana natao tamina sokajin’olona isan-karazany teto an-drenivohitra dia niray feo ny rehetra fa nihazakazaka be ihany ny fiakaran’ny vidim-piainana tato anatin’ny enim-bolana izay.

Na ny manana fidiram-bola azo atao hoe betsaka na ny salasalany na ireo tena mitrongy vao homana araka ny fomba fiteny dia samy mikaika amin’ny halafosan’ny fiainana avokoa. Ny renim-pianakaviana iray sendra anay, ohatra, dia nilaza hoe : “lafo be izao ny sakafo. Ny tiako hambara amin’izany dia ny vary, ny legioma, ny hena, ny voamaina. Tena vola be foana no lany, izahay koa moa 6 no ato an-tokantrano. Ny saran-dalana rehefa mandeha miasa efa tena henjana, tsy mahazo izany hoe vola atao goûter izany intsony ny ankizy, ary indraindray tsy maintsy midi-trosa raha sanatria misy marary tampoka satria tsy ampy mihitsy ilay karama iray volana. Ny hoe handeha hiala sasatra na haka rivotra kely izany moa dia efa nofinofy sisa. Tena mafy ny fiainana e !”.

Ny raim-pianakaviana iray indray dia tahaka izao no nambarany : “hita sy tsapa aloha fa tena nisondrotra daholo ny vidin’entana e ! Ny fahitako an’ilay izy koa dia manararaotra ny hoe fisian’ny krizy ireo mpivarotra dia mampiakatra tampotampoka ny vidin’entana. Ny fanaraha-maso koa moa hita mihitsy fa tsy ampy dia samy manao izay tiany. Izahay vahoaka no mijaly sy tsy maintsy mihafy, tsy maintsy mihinana na tsy ampy aza ny hoenti-manana, ka ny hevitra hitanay dia nahena ny fatran’ny vary, tena mahalana vao mihinan-kena fa dia anana sy legioma ary voamaina no ampifandimbiasana atao laoka. Tsy takatra intsony ny mividy mofo dipaina. Soa ihany aloha fa tsy mbola raikitra ilay fampiakarana ny vidin’ny solika, fa raha io no mihatra dia asa fotsiny satria azo antoka fa hampisondrotra ny saran-dalana ny mpitatitra”.

Roa taona aty aorian’ny nanombohan’ny savorovoro politika vao hita ho tena miantraika mivantana any amin’ny isan-tokantrano ny krizy sy ny halafosan’ny vidim-piainana, ary araka ny fandinihan’ny manampahaizana momba ny toekarena dia hisy fipoahana ara-tsosialy goavana eto raha toa ka tsy mbola mivaha amin’ity taona ity ny krizy, satria efa tena kely sisa ny vola eo am-pelatanan’ny fanjakana Malagasy. Maro anefa ny zavatra tsy maintsy hamoahana vola, ary ny tena manahirana dia misy ny zavatra tsy tao anatin’ny tetibola kanefa tsy maintsy natao, tahaka ny fanaovana “subvention” ho an’ny mpitatitra sy eo amin’ny resaka solika, ary ny fidiran’ny fanjakana mivantana amin’ny fanafarana sy fividianan PPN avy any ivelany. Mampikorontana tanteraka ny fitantanam-bolam-panjakana izany, araka ny nambaran’ny mpahay toekarena iray ihany, ary ny tena loza aza, hoy ihany izy dia ny fisian’ny resaka mandeha fa misy vola be tsy fanta-piaviana mitobaka eto Madagasikara, fandrika goavana ho antsika izany ary hampisavoritaka ny tontolo ara-toekarena rehefa iny eritreretina familamina iny ny zava-drehetra ary tafapetraka ny filoha hitarika ny Repoblika vaovao.

 
Nangonin’ny RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT