Actualités

Fisondrotry ny vidim-piainana Aoka isika tsy hifanararaotra, hoy ny CFM


  • Talata 19 Jolay 2022

Nisy omaly ny antso nataon'ny CFM na ny Filankevitry ny Fampihanana Malagasy tamin'ny alalan'ny Mpampaka-teny voalohany (Rapporteur général), Razafimahatratra Valisoa.

Nilaza ny CFM fa misedra zava-tsarotra isika Malagasy amin’izao fotoana izao, toe-javatra izay mitaky sy manery antsika hiray hina bebe kokoa ary hiaina ny tena Fihavanana : tsy fandriampahalemana, na ambanivohitra na an-tanàn-dehibe; fahantrana sy ny kere manery ireo mpiray tanindrazana hifindra monina sy ireo olana marolafy aterak’izany, izay mety hitera-doza raha tsy voavaha haingana. Manampy trotraka indray koa ny fisondrotry ny vidim-piainana, noho ny fiakaran’ny vidin-tsolika sy ny zava-misy maneran-tany, eo ihany koa ny savorovoro ara-politika. Noho izany rehetra izany, mitady ho very fanahy mbola velona ny Malagasy, hoy ny CFM. Nisaotra ny Mpitondra ny amin’izay ezaka rehetra efa natao sy mbola hatao ho fanamaivanana ny fahasahiranan’ny Malagasy, indrindra ireo marefo izay tsy mitsaha-mitombo ankehitriny, ka mila fanampiana haingana ary fikarohana sy fampiharana fepetra maharitra. "Aoka tsy hisy mihitsy hanararaotra an’ireo Mpiray tanindrazana izay efa vesaran’ny fahasahiranana samihafa. Aoka hifampitsinjo sy hifampitsimbina, araka ny fitenintsika manao hoe : « Tery omby ririnina ka tsy hahabotry ny zanany ary tsy hankahia ny reniny ». Atsaharo ny fifandrangitana. Manentana hatrany izahay CFM ny amin’ny maha-zava-dehibe ny fifampiresahana sy ny fifanajana, koa : mahaiza isika mifampiresaka sy mifampihaino, mba hahitana hatrany vaha-olana iraisana, ho amin’ny Fitoniana hisian’ny Fampandrosoana", hoy ny CFM. Tena misy fifampihainoana sy famahana olana ve anefa eto?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT