Nihatra tamin’ny faktiora nanomboka tamin’ity volana jolay ity ny fisondrotana 13% amin’ny vidin-jiro.
Tsy azo ihodivirana io fiakaran’ny vidin-jiro io, araka ny fanazavan’ny Jirama hanarenana ny fatiantoka amina miliara maro isam-bolana ao amin’ny kitapom-bola. Raha ny hevi-dRalison Roger, mpitantana sady mpahay toekarena dia sarotra ho an’ny fanjakana ny mifehy ny vahoaka raha mbola misondrotra indray ny vidin-jiro. Manahy koa ny tenany sao mizotra tsikelilely amin’ny fisintahan’ny fanjakana amin’ny Jirama ka hitantanan’ny tsy miankina azy ity raharaha ity. “Sahala amin’izao ihany koa no nahazo ny Solima tamin’izany fotoana izany hoe nasondrotra tsikelikely ny vidin-tsolika dia namidy amin’izay ilay orinasa avy eo”. Aminy dia ny vesatry ny mpiasa izay midangana ambony loatra raha oharina amin’ny vola maty no mahatonga ny fahasahiranan’ity orinasa mpamokatra jiro sy rano ity. Raha 10% ka hatramin’ny 12% ny vesatra ara-karama antonony dia efa mahatratra 40% any ho any izany amin’izao.
Soso-keviny, araka izany, ny fandraisana fanapahan-kevitra natao tamin’ny banky BTM fahiny amin’ny alalan’ny fanenana ny isan’ny mpiasa izay ampiarahana amin’ny fanomezana onitra ireo nesorina ahafahany manao asa fivelomana hafa. Raha ny fanazavany koa dia azo atao tsara ny fanamboaram-bola. “Tsy tena vola tahaka ny mahazatra fa vola ara-taratasy ka io no ividianana fitaovana ho an’ny Jirama ahafahany mamokatra herinaratra mba tsy hiankina intsony amin’ireo “sous traitants”. Manoloana ny fikasan’ny fanjakana ankehitriny hiroso amin’ny famokarana herinaratra avy amin’ny herin’ny rivotra sy masoandro dia nanambara ity mpahay toekarena ity fa ny fisintonana riandrano hamokarana angovo ihany no mety amintsika. Sady manana riandrano maro isika no mora kokoa ihany koa ny enti-manana ara-bola ilaina. Mavesatra be ny fampiasam-bola ilaina amin’ireny fitaovana mampiasa herinaratra sy masoandro ireny, araka ny fikarohana nataon’ny mpianatra maro eny amin’ny Oniversite sady tsy tafaverina ao anatin’ny 5 taona koa ny fampiasam-bola, izany hoe tsy ahazoana tombony raha ny fanazavany hatrany.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.