Actualités

Fisondrotam-bidin’entana Vokatry ny hamaroan’ny mpanelanelana


  • Alatsinainy 14 Mey 2012

Eny Anosizato sy Anosibe no misy ireo tsena lehibe mpamatsy entana ny renivohitra amin’ny legioma isan-karazany.

 Vao mangiran-dratsy dia efa feno mpiantsena mividy ambongadiny eny Anosizato izay mpamarotra avy amin’ny tsena hafa avy eto an-drenivohitra sy ny manodidina ny ankamaroany. Raha atao ny fampitahana vidin’entana dia mety mahatratra avo telo heny ny vidiny akana azy eny Anosizato ny vidin’ny vokatra ara-tsakafo amin’ny tsena hafa eto Antananarivo toa Analakely sy Andravoahangy. Nidina ifotony vao mangiran-dratsy teny Anosizato sy Anosibe namantatra ny zava-misy sy nanadihady ny anton’io fahasamihafana be amin’ny vidin’entana io ny tomponandraikitra notarihan’ny Sekretera jeneraly sy ny talen’ny kabinetra ao amin’ny ministeran’ny varotra ny zoma 11 mey teo.

Raha 8.000 Ariary no amarotan’ireo tantsaha na koa mpanangom-bokatra ny karoty iray gony eo Anosizato dia misy ireo mamarotra izany 18.000 Ariary tsy lavitra eo akory izany hoe any Anosizato tanàna. Ny fanadihadiana nataon’ireo tomponandraikitra ireo no namantarana fa be loatra ireo mpanelanelana izay samy maka tombony ka mahatonga io fidangan’ny vidin’entana io. Sady kely ny tombombarotra azon’ireo tantsaha mpamokatra mamoy ny torimaso makaty an-drenivohitra no mividy lafo koa ny mpanjifa. Vahaolana naroson’ny filohan’ny fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa ny fananganana tsenaben’ny tantsaha iray. Tsy misy intsony amin’izay ny mpijirika fa ny mpamokatra sady mpivarotra ambongadiny no mifanerasera mivantana amin’ireo mpamarotra. Sady ho tsara vidy kokoa ny entan’ireo tantsaha nefa koa tsy hisondro-bidy loatra ny entana amin’ireo tsena hafa.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT