Fisondro-bidin’ny solika

> Mampitandrina ny SEIMAMPAFI


  • Talata 10 Septambra 2013

Tsy azo ihodivirana ny fisondro-bidin’ny solika araka ny nambaran’ny minisitry ny solika Marcel Bernard noho ny sondro-bidy eo amin’ny tsena iraisam-pirenena satria efa 110 dolara mahery ny iray baril.

Manodidina ny 80 Ariary isaky ny litatra eo ho eo ny fiantraikany amin’ny mpanjifa. Ry zareo avy amin’ny sendikan’ny mpitatitra SEIMAMPAFI dia mampitandrina manoloana ny fanapahan-kevitra tsy ifampierana. Honjohonjon’ny fanjakana sy ireo mpandraharaha ara-tsolika hatrany mantsy ny fitazonanana na fanondrotana ny vidin-tsolika ka tsy hakan-kevitra mihitsy ry zareo. Nilaza Rakotonirina Emile avy amin’ity sendika ity fa tokony hifampijery ireo telo toko mahamasanahandro ireo ho fitsinjovana ny mpanjifa sao misamaritaka eto isika. Ho an’ny mpahay toekarena Joseph Yoland dia olana ara-drafitra sy politika ara-toekarena no mahatonga ny fiankinan-doha hatrany amin’ny zava-misy any ivelany. Aminy dia ny fanafoanana ny tsenam-bola ifanakalozana eo anivon’ny banky no vahaolana. Tamin’ny alalan’ny didim-panjakana no nametrahana ity farany dia foanana amin’ny alalan’ny didim-panjakana ihany koa.

 Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT