Actualités

Fisolokiana vovo-bolamena Mpivady avy any Fianarantsoa, tratra teny Anosizato


  • Alakamisy 21 Aprily 2022

Tovolahy sy vehivavy iray no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny SUT Tsaralalana tamin’ny 18 aprily lasa teo teny

Anosizato tokony ho tamin’ny 12 ora rehefa nisoloky. Nanao fisafoana ny Polisy Intervention sakelika fahatelo na CUI3 avy ao amin'ny Commissariat central tamin’io andro teny Anosizato sy Fasan’ny karana ary ny manodidina. Nifanena tamin’olona roa izay mampiahiahy izy ireo ka nanatanteraka ny fisavana avy hatrany. Hita teny amin’ireto olona ireto vovo-javatra mavo mavo miendrika ho toy ny vovo-bolamena ary Puce maromaro sy valopy misy soratra hafahafa. Nentina avy hatrany tao Tsaralalana izy ireo ary natolotra ny Sureté urbaine d’Antananarivo hanaovana fanadihadiana. Teo no fantatra fa olona efa karohina fatratra izy roa ireto ary mpisoloky amin’ny resaka vovo-bolamena. Nampantsoina avokoa moa ireo olona izay nitory azy ka vao tamin’ny 28 martsa lasa teo no voasaolokin’izy ireo vola mitentina iray tapitrisa Ar sy finday Samsung iray ny lehilahy iray. Milaza ho mpivarotra volamena izy roa ireto ary reseny lahatra eo ilay olona ka hakany izay vola hananany ary hakany finday fa milaza ho tsy manana finday hifampiatsoina izy ireo ka rehefa azony izay vola sy finday dia tsy hita intsony ny misy azy ireo. Fantatra ihany koa fa mpivady ireto olona ireo ary avy any Fianarantsoa any ny fiaviany. Natolotra ny fampanoavana omaly izy ireo ka naiditra am-ponja vonjimaika.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy mivady
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT