Olona 3 mpisoloky izay marihina fa lehilahy avokoa no karohin’ny polisim-pirenena fatratra amin’izao.
Efa maro ny olona tratran'izy ireo indrindra ireny olona mpandeha any anaty karaoké sy bar ireny . Mody hampireven'izy telo lahy ireo olona jonoiny no sady mampiderany vola koa. Rehefa revon' ny fampirevena eo ilay olona kendreny dia mafana ny resaka ka milaza izy ireo fa mpampiasa vola no sady mampitombo izany ihany koa raha vonona hiara-kiasa aminy. Mila manome vola hiarahana mampiasa anefa mandritra izany ka averina avo roa heny araka ny fampanantenany. Betsaka no voafitaka amin'ny resaka hataon'izy ireo ka manome fahatokisana azy telolahy ary manome vola azy ireo avy eo. Rehefa mandeha anefa ny fotoana dia sady tsy re antso no tsy hita intsony izy telo lahy ireo. Notsindrian’ny polisim-pirenena moa fa izay olona mampiantrano na manafina azy telolahy ireto dia raisina ho mpiray tsikombakomba aminy ka henjehin’ny lalana ihany koa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.