Actualités

Fisolokiana tao amin’ny Banky Foibe Olona miisa 24 no voarohirohy hatramin’ny omaly


  • Alarobia 22 Mey 2013

Olona miisa 24 miandahy, miambavy hatramin’ny omaly no fantatra fa voarohirohy ao anatin’ilay raharaha fisolokiana avo lenta nitranga tetsy amin’ny Banky Foibe Antaninarenina ny zoma lasa teo.

 Vola mitentina 3 miliara sy 950 tapitrisa Ar raha tsiahivina no saika nalain’ny sasany tamin’izy ireo saingy mailo ireo mpiasa nandray azy sy nijery ny taratasim-bola nentin’izy ireo noho ny habetsahan’ilay vola nokasaina halaina. Taratasim-bola sandoka anefa ireo nampiasain’ireto olona ireto izay mbola niampy dimy hafa ihany koa ary samy misy lelavola mitentina 4 miliara Ar avokoa, araka ny fantatra ihany. Tsy fantatra mavaza moa hatreto izay fiavian’izy 24 mianadahy mianaka ireto satria vao eo am-panaovana fanadihadiana ny mpitandro ny filaminana. Ny hany fantatra dia efa tambajotra matanjaka za-draharaha izy ireo no sady efa havanana amin’ny fisolokiana avo lenta tahaka izao ihany koa. Tsy ho ela moa dia hiakatra fitsarana ny raharaha ka ho hitantsika eo ihany ny tohiny.

 

Patty

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT