Manatona sy mampiresaka mpianatra miaraka amin’ny vato sarobidy hosoka no hiaingan’ny asa ratsin’ireto vehivavy sy lehilahy mpisoloky ireto ka hatakalony finday izany.
Polisy miasa manao fanamiana sivily teny amin’ny tetezan’i Behoririka nahita ny zava -misy no tonga saina ka nandray ny andraikiny avy hatrany. Rehefa natao ny fisavana ireto mpandrebireby mpianatra ireto dia mbola hita tao am-paosin'ny iray tamin'izy ireo ny findain’ilay mpianatra iray marika Huawei. Eny Anosipatrana izy ireo no mipetraka saingy tonga eny Behoririka manatanteraka izany asa ratsy izany. Taorian’ny nanolorana azy roa ny fampanoavana moa dia naiditra am-ponja vonjy maika eny Antanimora izy ireo. 30 taona sy 25 taona moa izy ireo raha tsiahivina.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.