Raim-pianakaviana iray indray no tonga nitaraina tao amin’ny zandarimariam-pirenena ao Mandritsara ny 09 aogositra teo fa voasoloky vola 6.600.000 Ar
nandritra ny fifaninanana hidirana ho mpianatra ho zandary farany teo.Manan-janaka isan'ny mpifaninana tamin'ny fidirana ho zandary teo izy raha araka ny fanazavany. Nisy olona iray nilaza taminy anefa fa mahafantatra kolonely sy ny kaondaman’ny borigady ao Mandritsra mahavita mampiditra ho zandary. An-telefaonina avokoa sy laharana roa samy hafa no nifampiresahany tamin’io Kolonely sy kaomandan’ny borigady io ka ilay olona nanantona azy no nomeny ilay vola izay natao in’efatra nandoa.Rehefa nivoaka anefa ny valim-panadinana dia tsy isan’ireo afaka ny zanak’ity Raim-pianakaviana ity raha tsy azo antso an-telefaonina intsony ihany koa sady tsy hita tao Mandritsara ilay mpisoloky. Nitory ny fianakaviana noho izany ka ny 11 aogositra lasa teo no tratra tao Mandritsara ilay lehilahy. Niaiky ny heloka vitany izy ka ny tenany ihany no kolonely sady kaomandin’ny borigady ary azy avokoa ireo laharana finday izay nampiasainy.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.