Actualités

Fisolokiana, fanapariahana ambalavelona,… Lehilahy roa no nosamborina tany Boeny


  • Alakamisy 24 Martsa 2022

Lehilahy roa 28 sy 32 taona no voatery nosamborina tany amin’ny Faritra Boeny afak’omaly ny 22 martsa. Resaka fisolokiana sy fivarotana entan’olona tsy nahazoana alalana no antony nisamborana ny iray,

 raha fanaparitahana Ambalavelona tamina mpianatra vehivavy kosa ny nitazonana ny iray. Ilay lehilahy iray voalohany dia voasambotra tao amin’ny trano fonenany teny amin’ny faritra Tsararano/Mahanjanga ary naiditra am-ponja vonjy afak’omaly ihany taorian’ny fanadihadiana nataon’ny Polisy miasa ao amin’ny « Service Regional de Police Judiciaire » na SRPJ Mahajanga. Voasolokin’ity lehilahy ity ny ramatoa iray. Namidin’ilay rangahy ny fananan’ilay ramatoa kanefa tsy nahazoany alalana akory ary nahatratra 23. 000 000ar ny vola lasany tamin’izany . Ilay resaka fanapariahana Ambalavelona kosa dia lehilahy 28 taona no fantatra fa nanao izany. Tra-tehaky ny Polisy miasa ao amin’ny kaomisaria CSP Marovoay tao Ambalalemboka fokontany Tsimahajao Distrikan’i Marovoay izy afak’omaly. Raha tsiahivina dia nisy ny fitarainana faobe nataon’ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra sy ny talen-tsekoly ao amin’ny lisea iray any an-toerana mikasika ny trangana ambalavelona izay miseho amin’ny mpianatra maro. Ankizivavy no tena lasibatra ary tena mikolay daholo ny olona noho ny afitsok’ity lehilahy ity. Noentina avy hatrany nanaovana fanadihadiana ilay lehilahy mpilalao ody.
Pati
Legende : Ity ilay mpamafy ambalavelona mpilalao ody gasy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT