Efa tonga tokoa ve ny farany fa dia manomboka sarona sy miseho ankehitriny ireo karazana mpaminany sandoka isan-karazany. Pastera roa sy mpaminany 1 avy amina fiangonana zandriny iray niorina ao Antsirabe ny desambra 2012 no indray voatana am-poja vonjimaika rehefa avy niakatra teo anivon’ny fampanoavana ny alakamisy 12 septambra 2013 lasa teo noho ny resaka fisolokiana.
Vesatra niampangana azy ireo ny fisolokiana sy fanaovana hosoka ary fanakorontanana fiarahamonina teo amin’ny fiangonana sy ny manodidina. Raha ny angom-baovao tamin’ireo mpino dia nisy ny fampanantenana fa hisy mpino halefa any Amerika hitory ny Vaovao Mahafaly ka mila miofana sy mandoa vola 170.000 Ariary isan’olona izay liana tamin’izany ka voalaza fa nisy telo lahy no vonona avy hatrany. Taorian’izay dia notakiana sary tapaka indray izy telo lahy fa mila alefa any Tanzania izany hanaovana ny taratasy, ka nasaina namidy avokoa ny fananana rehetra toy ny tany sy fiara ary ireo fitaovan-tokantrano maro fa hoe efa akaiky ny fotoana handehanana ka tsy misy ilana ireo intsony, hoy ihany ireo pasitera sandoka. Ankoatra ny vola 170 000 Ariary dia mbola arotsaka ihany koa ny ampahafolon-karena ary ifampizarana sy anaovana fihinanam-be amin’ireo mpino ny fananana izay asain’ireo pasitera atao fa efa ho any andafy, hono, ka tsy misy ilana izany intsony.
Ankoatra izay dia mikorontana sy misara-bazana ihany koa ny fianakaviana satria dia misy amin’izy ireo no rafitra ady sy misara-bady mihintsy aza amin’izao fotoana noho ny tsy fitovian-kevitra satria, eo ireo nosarahina tamin’ny fianakaviany ao Antsirabe ka nalefa any Mahajanga, toerana izay misy ny foiben’ity fiangonana ity, fa hoe efa akaiky ny fotoana handehanana any andafy ny volana jona lasa teo saingy hatreto dia mahatsiaro tena voafitaka izy ireo satria tsy mety lasa foana ireo havany no mbola tangosana vola hatrany, ka dia izao nitondra fitarainana teo anatrehan’ny manam-pehefana izao. Etsy an-daniny dia misy ireo tsy sahy mitory noho ny tahotra ireo mpitarika ka dia mionona fotsiny. Tsy ao Antsirabe ihany moa no misy ity fiangonana ity fa ahitana azy eto Antananarivo sy Fianarantsoa ary Mahajanga, izay milaza ho mahay manangana ny maty sy manasitrana ny marary ity ihany koa. Mitaraina ho vao mainka mitombo aretina ihany koa ireo marary sitranina raha vao hosorana izany “menaka” fampiasa ao izany, hoy ny mpivavaka iray izay anisan’ireo 8 nitondra ity raharaha ity teo anivon’ny polisy. Dia ho hita eo ny tohiny !
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.