Actualités

Fisokafan’ny sisintany Mamporisika ny amin’ny fa nnaovam-bakisiny ny mpitsabo


  • Alakamisy 28 Oktobra 2021

Efa miha manakaiky ny fotoana hisokafan’ny sisintany eto amintsika hahafahana manarina ny toe-karena izay nitontongana vokatry ny fiparitahan’ny valan’aretina Covid 19.

 Ankoatra ireo karazana fepetra hahafahana miaro ny aretina tsy hiparitaka dia anisan’ny tena vahaolana mahomby no sady hahafahana mandresy tanteraka ny aretina ny fanaovam-baksiny raha araka ny fanazavan’ny dokotera Fidy Bariniaina. Miantso ny rehetra mba hanao vaksiny araka izany ny tenany. Ho an’ireo olona miditra sy mivoaka ny faritra dia notsiahiviny fa efa mahazo ny anjarany eny amin’ny tobim-piantsonana izy ireny ho an’izay mazoto. Ho an’ny sarababem-bahoaka kosa dia mbola mitohy ary azo hatao tsara ny manatona ireo ivon-toerana mandray an-tanana izany toy ny etsy amin’ny hopitaly Befelatanana hahafahana miady amin’ny aretina. Tsiahivina moa fa ahitana cas importe amin’ny valan’aretina Covid 19 miisa roa eto amin’ny Faritra Analamanga amin’izao raha araka ny fanazavan’ny dokotera Manitra Rakotoarivony tale misahana ny fampiroboroboana ny fahasalamam-bahoaka eo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamana. Efa manaraka fitsaboana ireo olona roa ireo amin’izao hoy izy raha tsy mbola misy eto amintsika kosa ary tsy tokony atahorana ny variant hoy hatrany izy. Ankoatra izay dia nisy omaly ny fidinana ifotony notanterahin’ny tompon’andraikitra teny anivon’ireo hotely misy ireo olona avy any ivelany manaraka fihibohana ankehitriny ho fiarovana ny ain’ny mpiara-belona.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

Hijery ny tohiny
FTT