Mazava ny vokatry ny tsapa-kevitra navoakan地y Agence Capsule, ary notaterin地y fahitalavitra tsy miankina TV Plus tao anatin地y fandaharana adihevitra vokariny isaky ny alahady, 泥on-dresaka� omaly alahady 5 jona, fa ny 92%-n地y Malagasy dia manohana ny fisokafan地y Magro,
orinasan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, hiteraka asa. Manao ny fomba rehetra tsy hisokafan’ity orinasa ity anefa ny fitondrana Rajaonarimampianina. Ho an’ny etsy Ankorondrano manokana dia mifikitra amin’ny didim-pitsarana, nivoaka tamina raharaham-pitsarana tsy natrehin’i Marc Ravalomanana ny Fanjakana. Etsy an-kilany dia odian’ity fitondrana ity fanina ny Tondrozotra izay efa lasa lalàna. Nihazakazahana natao ny fitsarana, fony mbola sesitany tatsy Afrika Atsimo i Marc Ravalomanana, hamerenana ny tany amin’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria fa hoe tsy nahaloa hofan-tany ny Magro. Tsy mandà ny handoa ny vola takiana aminy ny Magro, ary nandefa taratasim-bola tany amin’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria mihitsy ny faramparan’ny volana mey lasa teo, saingy naverin’itsy voalohany tsy noraisiny. Na eo aza izay sakantsakana izay dia milaza ny tsy hihemotra ny TIKO orinasa renin’ny Magro fa hitady ny fomba hahafahana manokatra ny Magro. Manaporofo izay fahavononana izay ny dian’ny filoha mpanorina ny TIKO, Marc Ravalomanana tany Toliara ny faran’ny herinandro teo. Nijery ny toerana nisy ny Magro tao an-toerana izy, miomana amin’ny fanarenana sy ny fanokafana ity orinasa ity ao an-toerana. Nialoha io, dia efa nanoka-baravarana nandray fangatahan’asa ny orinasa TIKO. An’aliny no voaray tao anatin’ny roa andro teny Ankorondrano. Maniry ihany koa ny any amin’ny faritra, ny mba hanitarana ny fandraisana fangatahan’asa any amin’izy ireo.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.