Actualités

Fisetrasetrana amin’ny haino aman-jery Misy mampijabaka I Andry Rajoelina


  • Alatsinainy 26 Aprily 2021

Miharihary ny fifangaroan’ny hamehana ara-pahasalamana sy ny ara-politika. Hatao fitaovana hanapenam-bava sy hampanjakana

 

 

 

 

 hevitra tokona ny fampiharana ny lalàna momba ny toe-javatra manokana na “situation d’exception”eto amin’ny tany sy ny Fanjakana, ka nampiharana ilay lalàna 91-011 efa tamin’ny 18 jolay 1991. Aretina no hiadiana, saingy ny fandaharana politika no hilàna kisa tsy havela handeha. Misy zavatra hafenina sy tsy tiana ho fantatra ao. Terena hihaino feo sy hevitra tokana ny vahoaka, ary hatao izay tsy hananany “répère” na ivo ahafahany mandinika sy mamakafaka ny zava-misy miainga amina fomba fijery marolafy intsony. Filàna kisa sy fanapenam-bava sisa no heverin’ny fitondrana fa vahaolana mahomby sy ahafahany miaro ny fahefana satria tsy mahavita mandresy lahatra ny Malagasy fa mety ny ataony. Raha miverina any amin’ny tantaran’ny fanonganam-panjakana 2009, dia isan’ny antony nanonganana an’Atoa Marc Ravalomanana ny fanakatonana ny haino aman-jery Viva, ny tsy nanesorana ny Minisitry ny serasera, ny minisitry ny toekarena,… Efa nandraman’ny fitondrana tany amina antsojay ho an’ny haino aman-jerin’i Marc Ravalomanana tamin’ny fanapahana ny fahafaha-mampita izany any amin’ny faritra ny raharaha. Toa nangina sy nanaiky ny andaniny, dia io akarin’ny ekipan’I Andry Rajoelina any amina haino aman-jery samihafa io ny daoziny. Asa raha tadidin’ny Filoha Rajoelina ny raharaha 2009 ka mbola ny nambara fa fahadisoana tamin’izany no haverina? Poizina ho an’ny Fitondrana sy fahadisoana politika io, ary karazan’ny misy mampijabaka izy. Tsy tambo isaina ny toe-javatra ahazoan’ny fitondrana Rajoelina tsikera sy tsikera, ka fanapenam-bava sisa heveriny fa vahaolana. Kolikoly amin’ny endriny maro, fitantanana tsy mazava ny tetibolan’ny covid-19, fanodinkodinam-bola na kiantranoantrano, tsy fahafehezana ny valanaretina,… Tsy vahaolana ny setrasetra, ary misy fetrany ny fahefana sy hery, ka samia ho ela velona, ka ny ho avy no hitsara.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT