Nandamoka ny fihaonan’ny mpivarotra mpamongady eto amin’ny faritra Analamanga sy ireo lehiben’ny ivontoerana fandoavan-ketra avy amin’ireo boriborintany notanterahana ny talata 25 martsa 2014 teo.
Tsy afaka namaly ireo soso-kevitra hamahana ny olana misy ankehitriny naroson’ireo solontenan’ireo mpivarotra ao amin’ny tsenan’Anosibe, 67Ha, Isotry, Mahazo, Andravoahangy, Ambanidia nampian’ireo avy any Talatamaty, Ambohibao, Ivato, Itaosy ary Andoharanofotsy mantsy ireo solontenam-panjakana milaza ho mpamita iraka fotsiny ihany satria efa fanapahan-kevitra tinapaka tamin’ny filankevitry ny minisitra no tanterahan’izy ireo amin’ny fijerena ifotony ankehitriny.
Anisan’ny fangatahana nataon’ireo mpivarotra, ohatra, ny fampitsaharana ny fisavana tampoka sy ny fitakiana ny faktiora tamin’ny taona 2011 hatramin’ny 2013 miampy lamandy ho an’ireo tsy manana izany, ny fanamafisana ny ady atao amin’ireo mpivarotra tsy manana taratasy ara-dalàna na patanty, na koa ny fanavaozana ireo andinin-dalàna efa niainana tao anatin’ny 25 taona lasa mba hifanaraka amin’ny zava-misy ankehitriny miaraka amin’ny fanamafisana ny fanentanana sy ny fampianarana ireo mpivarotra.
Ho fanoherana ny tsy rariny mihatra amin’izy ireo moa dia nanapa-kevitra ny hanakatona ny tsena fivarotana ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro ireo mpivarotra mivondrona eto amin’ny faritra Analamanga mandra-pisian’ny valin-teny mahafa-po avy amin’ireo tompon’andraiki-panjakana. Fanontaniana iray mbola mila valiny ihany koa anefa ny fahamafisan’orina eo amin’ny samy mpivarotra satria tsikaritra ihany ireo maningana ao anatin’ny maro.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.