Voasava ihany koa omaly maraina ny trano fonenan’ilay mpandraharaha Frantsay Franck Legrand.
Ny Brigade Criminelle avy ao amin’ny polisim-pirenena no nanatanteraka ny asa ary nizotra am-pilaminana tanteraka izany. Fantatra fa misy ifandraisany amin’ny fisavana ny tranon’ny senatera Lylison sy ny mpandraharaha Mamy Ravatomanga ity nitranga omaly maraina ity. Tompon’ny trano fisakafoanana Le Rossini moa ity teratany Frantsay voasava trano omaly ity.
Telma F1
Mahatsiaro ireo Reny rehetra ny Telecom Malagasy amin’izao fankalazana ny fetin’izy ireo izao. Tolotra manokana haroson’ity orinasam-pifandraisan-davitra ity ny Telma F1. Mampiavaka io finday avo lenta io ireo safidy samihafa hita ao anatiny.
Lavanila
Ho tsara ny vokatra lavanila amin’ity taom-piotazana ity. Hosandaina 5 alina ariary ny lavanila manta raha 6 hetsy ariary ny masaka, araka ny fanazavan’ireo mpandraharaha any amin’ny faritr’i SAVA.
Bianco
Nanao tatitra mikasika ireo asa tontosa tamin’ny taona 2015 ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly omaly teny amin’ny MAE. Fantatra tamin’izany fa 3.314.535.000 ariary ny tetibola niasan’ny Bianco avy amin’ny fanjakana Malagasy tamin’ny taon-dasa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.