Actualités

Fisamborana mpianatra teny Ankatso Manazava ny Talen’ny CROUA


  • Alarobia 22 Jona 2011

Fisamborana mpianatra teny Ankatso Manazava ny Talen’ny CROUA

Mpianatra ny fito amin’ireo raha olon-tsotra ny iray. Mba ho famerenana amin’ny laoniny ny fandriampahalemana sy mba hisian’ny filaminana anefa dia tsy nitazona azy valo ireto ny Croua fa namotsotra azy. Eo an-daniny anefa dia mandeha ny resabe hatry ny omaly fa misy mpianatra roa tsy hita eny Ankatso ka nanosika ny Croua hanao io fanambarana io. Araka ny nambaran’ny Talen’ny Croua, Randriamiarinarivo Abel, dia ho famerenana amin’ny laoniny ny endriky ny fotodrafitrasa eny Ankatso no antony nandravana ireo fanorenana tsy ara-dalàna nataon’ny mpianatra teny. Tranon’ny mpianatra miisa 20 no voakasiky ny fandravana ary efa vita tamin’io afak’omaly io ihany ny asa. Na izany aza anefa, nohamafisiny fa tsy tampoka no nahatongavan’izy ireo teny Ankatso no sady fanarahana ny didy navoakan’ny fitsarana ihany koa. Nialoha iny asa fandravana iny mantsy dia efa nandresy lahatra ireo mpianatra eny Ankatso ny Croua ny amin’ny tsy maha ara-dalàna ny asa fanovana endrika na fanitarana ny trano nomena azy ireo izay midika ho gaboraraka saingy mbola nataony izany ary izao no niafarany. Na izany aza anefa efa milamina tanteraka ny toe-draharaha eny an-toerana, araka ny fanazavan’ny Talen’ny Croua ity hatrany.

 

Pati

 

sary : Randriamiarinarivo Abel, Talen’ny CROUA

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT