Actualités

FIS Tsy tafiditra ny tranon-dRajoelina ?


  • Zoma 25 Martsa 2011


Efa nanomboka tamin’ny fanalana ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina, izany hoe efa am-bolana maro izany no tsy afaka miditra tanteraka ao amin’ny tranon’i Andry Rajoelina ao Ambatobe ny FIS. Ny tena anjara asan’ireo izany amin’izao fotoana dia ny manao «balise» amin’ny sisin-dalana sasantsasany ary koa manaraka ny kortezin’ny prezidansa. Fa ny fitsofohana ao an-dapa sy ny fitsofohana ao amin’ny tranon’ny lehiben’ny FAT dia efa tsy dia afaka manao izany intsony izy ireo.

Efa tsy dia hita soritra intsony, araka izany, ny tena anjara asan’ity vondrona ity amin’izao fotoana. Omaly aza dia nomarihan-dry zareo avy ao amin’ny polisim-pirenena fa nalahelo izy ireo noho ny fitateran’ny gazety fa hoe ny FIS no nandray anjara mavitrika tamin’ny fisamborana sy fitifirana ireo olon-dratsy nanafika Sinoa tetsy Behoririka. Raha tsiahivina dia namitsaka tanteraka ity vondrona iray ity ary tsy henoheno firy intsony. Saika raharaha any amin’ny faritra no tsikaritra fa henjehin’izy ireo. Mitetitety faritra ny olon’ny FIS ankehitriny, asa, noho io fihenan’ny fahatokisana sy ny firotsahan’ny fanakianana indraindray avy amin’ny mpitandro ny filaminana io ?

 
r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT