Actualités

Firosoana amin’ny «digitalisation» Nilingilingy tamin’ny zavatra tsy hay ny fitondrana


  • Alatsinainy 04 Jolay 2022

Manahiram-bahoaka lavitra mihoatra amin’ny fikarakarana taratasim-panjakana mahazatra hatramin’ny andron’ny filoham-pirenena voalohany indrindra teto Madagasikara, Philibert Tsiranana,

ankehitriny ny fikarakarana sy fandaminana izany amin’ny sehatra rehetra. Gaga ny mpanara-baovao hatramin’izao ary mbola velom-panontaniana hoe fa angaha moa tsy hoe efa vita ny “digitalisation” na fandraketana an-tsolosaina ny mikasika ny vatsim-pianarana na “bourse” ho an’ireo mpianatra mpikaroka eny amin’ny oniversitem-panjakana? Indrisy fa namaly izany ho tsia ny zava-nisy nitranga indray nandritry ny fotoam-pizarana izany tamin’ity herinandro ity. Ireto avy ireo olana tamin'ny fizarana vatsimpianarana anio (TTF: ny sabotsy teo), hoy ny tati-baovao voaray. Misy ny tsy ao anaty lisitra mihitsy. Misy ny ao fa mandray 0 ariary. Misy kaontin’olona sasany lasa miverin-droa na 3 sy 4 mihitsy na hoe “doublé”, “triplé”, “quadriplé” mihitsy ny ka lasa 0 Ariary. Ny mpianatra nifindra kilasy na “passant” lasa voalaza ho namerin-taona na “redoublant”. Ny “redoublant” lasa “passant”. Lasa vatsy na "montant" an'ny kilasy na “niveau” hafa no azo. Mpianatra taona fahatelo na L3 nefa lasa “bourse” ho an’ny taona voalohany na L1 no azo. Lasa 1 volana ny “bourse” voaray raha tokony ho 2 volana. Lasa 3 volana ny “bourse” voaray raha tokony ho 2 volana, hoy hatrany ny tati-baovao. Manaitra ny tomponandraikitra tafindry mba hamaha izany olana izany faran'izay haingana toy ny mahazatra moa ireo mampita ny vaovao saingy asa na mbola hitohy toy ny mahazatra ihany ny vokatra mikasika ity resaka firosoana amin’ny “digitalisation” ity. Ny tsikaritra aloha dia hita ho nilingilingy tamin’ny zavatra tsy hay sy tsy voafehy ny fitondrana mijoro ankehitriny ary mahatonga ny maro hanolotra vahaolana tsotra hoe maninona raha haverina amin’ny fomba fiasa taloha mba hisian’ny fanamorana fomba fiasa kokoa toy izay hatsangana daholo ity birao vaovao lasa mampiparitaka ireo antotan-taratasy maro tokony hifanakaiky ity?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT