Actualités

Fironana any amin’ny zava-mahadomelina Tandindonin-doza ny firenena


  • Zoma 26 Aogositra 2022

Nalaza teo aloha teo ny fakana an-keriny tovovavy. Niara-dalana tamin’izay koa ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina amin’ny vidiny mora.

Ry zareo mpanabe tanora eny amin’ireo faritra iva, toy ny Hafari Malagasy, sy ireo mpandinika fiarahamonina, no efa nampaneno lakoloky ela mikasika azy io. Saika isan’andro ny naheno hoe misy izany “Roro” izany no tena fitrokan-drizalahy. Omaly indray dia nahenoana fitarainana teny Ambohimanarina teny izay avy amina raiamandreny nahita zatovolahy tanaty elakelantrano nanao zavatra hafahafa sy niezaka niafina ny tenany kanjo moa hitany ihany raha ny fitantarany. Nivarahontsana aho, hoy ity raiamandreny ity ary nisafoaka nahita azy ireo nanao ilay izy no sady niteny tany an-tsaina hoe efa tonga eto izany itony zavatra itony. Nananatra azy ireo aho moa, hoy izy, no sady nilaza ho mahalala ny raiamandrenin’izy ireo, fa indrindra, tsy te ahita azy ireo hanimba hoavy amin’ny zava-mahadomelina. Mba jereo ihany ny ataon’ny ankizy fa efa tena mivoana, hoy hatrany ny antsoavony. Efa ela ny sehatra maro no nanao antsoavo fa tandindonin-doza ny firenena sy ny hoavin’ireo taranaka amin’ny fironanana any amin’ity fandraisana zava-mahadomelina ity.

J. Mirija

(Sary fanehoana)


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT