Nisongadina nandritra ireo andro roa tao anatin’ny fankalazana ny andro manerantany ho an’ny vehivavy tantsaha notanterahana teto Antananarivo tamin’ity volana oktobra ity ny fiaimpiainan’ny vehivavy amin’ny tontolo ambanivohitra.
Voalaza tamin’ io fihaonan’ireo solontenan’ny vehivavy avy amin’ny Faritra 21 eto amin’ny Nosy io ny fahabetsahan’ny isan’izy ireo eto amin’ny firenena Malagasy mihoatra amin’ny isan’ny lehilahy. Raha ny zava-misy mandrafitra ny fiainana andavanandron’ny vehivavy tantsaha Malagasy aloha dia misahana andraikitra goavana izy ireo ao an-tokantrano no manana anjara asa lehibe ihany koa eny an-tsaha. Porofon’izany ireto salan’isa manaraka ireto izay milaza fa 70%-n’ny mpanangom-bokatra dia vehivavy raha 95% amin’izy ireo no misahana ny asa fanelanelanana eny amin’ny tontolo ambanivohitra. Nilaza kosa ny minisitry ny fiompiana Randriamandranto Ihanta fa tsy misy filaminana eo amin’ny firenena raha tsy mandray andraikitra ny vehivavy. Noho izany dia mila mandresy lahatra ny fahefana mpanatanteraka eo anivon’ny governemanta ny vehivavy tantsaha amin’ny fametrahana ho laharam-pahamehana amin’ny teti-bolam-panjakana ny sehatry ny famokarana, ny fambolena, ny fiompiana ary ny jono. Mifanindran-dalana amin’izay dia tokony hojerena akaiky ireo fitaovam-pamokarana sy ny fanamaivanana ireo asa mavesatra mianjady amin’ny vehivavy tantsaha.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.