Nivoaka tamin’ny fahanginana ny firaisankinan’ny sendika eto Madagasikara na
ny SSM omaly taorian’ny nisamborana ny filohan’ny sendikan’ny Paramed Ralibera Jerisoa tamin’ny sabotsy lasa teo ka nisakanana azy tsy hanatanteraka ilay fanaovana tatitra tetsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha izay efa nandrasan’ireo namany marobe. Nambaran’izy ireo nandritra izany fa fanitsakitsahana ny zo sendikaly ireny fihetsika nataon’ny Fitondram-panjakana sy ny mpitandro ny filaminana ireny izay manohitra ny fifanarahana iraisam-pirenena laharana faha-87 nosoniavin’i Madagasikara tamin’ny taona 1960. Tsy mila mangataka alalana mantsy ny sendika rehefa hivory hoy izy ireo araka ny lalana fa mampahafantatra fotsiny ihany 48 ora mialoha dia vita. Sady ny mampalahelo hoy hatrany izy ireo dia tsy hitokona akory ny sendika fa hifampiresaka fotsiny ihany nefa dia ireny ny zava-misy. Tatitra hitakiana ny zony ihany koa no tokony nataon’izy ireo hoy hatrany ny SSM izay tokony hotohanan’ny fanjakana aza nefa dia ireny ny zava-nitranga. Na izany aza hoy kosa Ralibera Jerisoa dia hitohy ny tolona ary vao mainka hihamafy aza raha minia manampin-tsofina ny Fitondram-panjakana. Handefa taratasy any amin’ny praiministra lehiben’ny governemanta indray mantsy izy ireo hakany toky ka miankina amin’izay ny mety ho tohin’ny tolona. Mety hihafarana amin’ny fitokanana faobe moa izao hetsika hataon’ny PARAMED izao raha tsy misy tohiny. ‘
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.