Actualités

Firahalahian’ny Mpitandrina Andiany ANTSO Nankalaza ny faha-15 taonany teny Vinany


  • Alatsinainy 23 Mey 2016

Nisafidy ny Fjkm Vinany Tempoly Malala –synodam-paritany Antananarivo andrefana ny firahalahian’ny mpitandrina Andiany « Antso » mba hanamarihana ny faha-15 taona nivoahan’izy ireo teny amin’ny Faculté de Theologie Ambatonakanga

 

. Nandray ny asa amin’ny maha mpitandrina Fjkm azy tamin’ny 2001 taorian’ny fianarana teny amin’ny fakiolte ireto mpitandrina ireto. Tenin’ny Soratra Masina notsongaina tao amin’ny Lioka 4 :18a manao hoe : « Ny fanahin’i Jehovah no ato amiko, satria nanosotra ahy hitory teny soa mahafaly izy… » no teny filamatr’ity andiany Antso ity. Nitarika ny fotoana omaly ny mpitandrina Rasolomanana Nehemia. Nitory ny tenin’Andriamanitra kosa ny mpitandrina Ramambason Laurent, sojaben’ny fakiolten’ny teolojia eny Ambatonakanga. Nentiny nampisaintsainana ny mpianakavin’ny finoana io omaly io ny hoe : Vahaolana sa olana ho an’ny mpiara-belona ianao ? Tokony ho endrik’i Jesoa Kristy, manao sy manohy ny asa nataony ny Kristianina, hoy izy ary mijoro ho vavolombelon’ny finoana. Tsy maintsy mitondra ny hazo fijaliany, tahaka ny nataon’i Kristy anefa ireo rehetra mitory ny tenin’Andriamanitra ary koa tokony hanankarena fibebahana sy fahatsoram-po. Nampatsiahivin’ny mpitandrina Ramambason Laurent fa tsy mba nitaingina soavaly fa nandeha an-tongotra i Jesoa Kristy raha nitory ny tenin’Andriamanitra, tsy niaina tao anaty lapa be fa nifangaro tamin’ny besinimaro. Izay no nahafantarany ny marary ny olona ka nitondrany fankaherezana sy fanasitranana. Ho an’ny mpitandrina Andiany Antso kosa dia nanamafy izy ireo fa tena niaina ny mafy, nandalo fitsapana sy fanenjehana, indrindra tamin’ny taona 2001-2002 izay nampamaivay ny krizy politika teto Madagasikara ary nisian’ny fanenjehana ny Fjkm. Mpirahalahy ao amin’ny Tompo izahay, hoy izy ireo ary hanohy hatrany ny asa fitoriana efa nekena, asa izay Antso avy amin’Andriamanitra. Taorian’ny fanompoam-pivavahana teny Vinany dia niara-nisakafo teny amin’ny espace Olympia Ampitatafika ireto mpitandrina avy ao amin’ny Andiany Antso izay nanamarika ny faha-15 taona niorenany omaly ireto.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT