Actualités

Fipoahana teny Masay Hatolotra ny Fitsarana anio ny an’ny zandary


  • Alarobia 16 Martsa 2011


Sambany teo amin’ny tantaran’i Madagasikara no nisy raharaha iray kanefa roa karazana ny mpanao famotorana. Na dia atao aza hoe raharaha lehibe dia tsy mbola nisy tahaka izao teto amin’ny firenena. Ankoatra ny DST izay miankina amin’ny fiadidiana ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, manatanteraka ny baikon’ny filohan’ny FAT, dia manao famotorana tahaka ny raharaha rehetra mikasika ny heloka bevava ity teny amin’ny farihin’i Masay ity ny zandarimariam-pirenena. Ny eny Fiadanana no manao izany ary araka ny loharanom-baovao dia anio no hatolotra ny Fampanoavana ny valin’ny famotorana nataon’izy ireo.

Hatreto dia olona dimy no voatazona sy voarohirohy amin’ity raharaha ity araka ny famotorana ataon’ny zandary. Misy amin’izy ireo no voarohirohy tamin’ilay karazan-javatra mipoaka teny an-toerana. Misy koa ireo izay voalaza fa mahafantatra ilay miaramila teo aloha tao amin’ny BANI izay voalaza fa tena ahiahiana mafy ho anisan’ny tompon’antoka mivantana tamin’iny fipoahana iny. Tsy hita moa ity miaramila afaka ity hatramin’izao. Nilaza ny mpanao famotorana fa hatolotra ny Fitsarana ny raharaha ka izy ireo no hamoaka didy fampisamborana ilay miaramila afaka io. Ho hita eo ny tohiny.

 
Rakoto Maxime

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT