Zazalahy roa mpinamana no naratra mafy tao Tanamakoa Toamasina, nipoahan’ny zavatra nolalaovin’izy ireo omaly tokony ho tamin’ny 9ora sy sasany maraina. Raha ny fanazavan’ireo mponina manodidina ilay fipoahana dia zavatra narehitr’izy roalahy ity nipoaka mafy ity.
Nambaran’ireo mpitandro ny filaminana tonga nijery ny zava-nisy fa tsy mazava ny zavatra nipoaka ity na “dinamita” na “grenady”. Ny hany fanazavana azo dia nahitana lavaka ny toerana nitrangany ary niparitaka nanodidina ny poti-by. Ny fanadihadiana ireo vovoka fotsy tavela no hamantarana ny fiavin’ity zava-nipoaka ity, hoy ireo mpitandro ny filaminana. 11 taona ny iray tamin’ireo voa, izay voatery nodidiana mihitsy nanalana ireo poti-by tamin’ny kibony ary mbola miady amin’ny fahafatesana eo anivon’ny trano famelomanainan’ny hopitalibe. Manao izay ho afany ireo dokotera manampy ny ray aman-dreniny satria sahirana ara-bola izy ireo ka nisy taratasim-pitokisana natao mikasika izany. 13 taona kosa ilay faharoa, ny rantsan-tongony iray no voatery notapahana. Kamboty ray izy, mpivarotra saribao ny reniny.
Araka ny fanazavan’ireo mponina manodidina ihany dia efa ny alatsinainy hariva no nahitan’ireto tovolahy ireto ilay zava-mipoaka ity, saingy mbola nalevin’izy ireo aloha ka io omaly maraina io vao nolalaovina sy nampirehetina noho ny fiheveran’izy ireo fa petara goavana ilay izy. Nentina avy hatrany tao amin’ny “hopitaly manara-penitra” izy mirahalahy ireto noho io hopitaly io akaiky an’i Tanamakoa, nefa voatery nafindra ho ao amin’ny hopitalibe indray noho ny tsy fisian’ny mpampididy tao sy ny tsy fananana oksizena amin’ny fameloman’aina sy ampiasaina mandritra ny fandidiana tsy maintsy natao. Ankoatra izay, dia ny filoham-pokontany sy ny mpitandro ny filaminana no nahalalana, fa toerana fanafenan’ireo jiolahy entana halatra sy fitaovana entin’izy ireo manao asa ratsy ity toerana ity, ka mety an’ireo jiolahy tsy nampiasany izy ity ka izao saika namono olona izao noho ny tsy fahalalana ilay zava-mipoaka.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.