“Fanafihana mitam-piadiana mahery vaika, fakana an-keriny, trafika andramena amin’ny lalam-pirenena, famakiana magazay sy halatra jirofo.
Ireo no tena olana goavana natrehanay teto amin’ny FIP nandritra ny taona 2012. Taona henjana ho anay iny, saingy efa fenitray ny hoe : Izay sahy tsy maintsy mandresy”, hoy ny ôfisie Rafaliarivo Jules misahana ny polisin’ny FIP Toamasina, raha tafaresaka tamin’ny Tia Tanindrazana. Nambarany fa nampitomboina ny fisafoana tanàna na “patrouille” nataon’izy ireo.
Vokany, nisy 131 ireo olona voasambotra. Ary vao ny talata teo no nahasambotra mpivarotra sy mpidoroka rongony efa-dahy tao Mangarivotra ny FIP Toamasina. “Teo am-pikotrehana halatra ho atao izy ireo no sarona”, hoy ny ôfisie Rafaliarivo Jules. Rongony avy amin’ny Kaominin’Ifito Toamasina II no tratra niaraka tamin’izy ireo. Afenina anaty gonin-tsaribao no itaterana ireo rongony ireo mankao Toamasina tampon-tanana. Nisy koa roa lahy tratra nangalatra akoho fakana nofony niisa 08 tao Ankirihiry izay nokasain’izy ireo hamidy 5.000 Ariary isanisany amina hotely efa mpandray ny “entana”.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.