Actualités

Fiondranana antsokosoko any Mayotte Sambo nitondra olona 23 no saron’ny tafika


  • Alarobia 26 Oktobra 2022

Fampitam-baovao ara-potoana azo avy amin’ny olona tsara sitrapo no nahasaronan'ny Tafika an-dranomasin'ny Détachement Marine Nosy Be ny botry iray mitatitra olona tsy ara-dalàna nikasa ho any Mayotte ny alin'ny 24 oktobra 2022.

Nandritry ny fisafoana izay natao, hita tao anatin'ity Botry TOLIAMEVA ity ny mpandeha 22 izay olon-dehibe 16 sy zaza 06 ary vehivavy bevohoka 01 izany hoe 23, ankoatra ny mpanamory miisa 03, raha ny tatitra. Nahitana lasantsy 47 bidons sy lavanila 6kg. Nikasa ny andeha hiondrana atsy Mayotte ity botry ity ka izy diany hoany Andavatoby izao sarona izao. Nandritry ny fisafoana izay nataon'ny Détachement Marine any an-toerana io alina io ihany koa dia sarona ny sambo na “ la coque” iray, izay nitondra lasantsy 36 bidons sy zava-pisotro mahamamo maro karazany ary sakafo. Ity farany izay mikasa hitatitra olona antsokosoko hoa ny Comores ary mikasa haka olona tao Antanibe no tratra. Nentina avy hatrany teny amin’ny CNRO misy ny “détachement Marine Nosy Be” izy ireo, ary noraisina an-tanana ny fikarakarana ireo zaza ama-behivavy sy ny fanomezana sakafo azy ireo. Efa natolotra ny zandarimariam-pirenena kosa ny tohin’ny fanadihadiana mahakasika izao raharaha izao. Naneho moa ny détachement Marine Nosy Be, izay eo ambany fibaikoan’ny Lieutenant de Vaisseau Jaoriky Francklin Poton fa miara-miasa akaiky amin’ireo tomponandraikim-panjakana any an-toerana sy ny mponina ao amin’ny fiarovana sy fitandroana ny fandriampahalemana any. Tsy vao sambany ny fiondranana antsokosoko tahaka izao, misy ny sarona tahaka itony, efa nisy ny tranga simba teny afovoan-drano ka nihampatrampatrany faty olona, tao ny tra-doza, nisy ny tratra tany amin’ny fari-dranomasin’ireo Nosy saika handehanana,… saingy mbola maro ihany koa no tsy mety fay.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT