Actualités

Fiondranana an-tsokosoko nahafaty olona 4 10 nidoboka am-ponja, 2 arahi-maso ara-pitsarana


  • Alakamisy 11 Novambra 2021

Olona miisa 10 voasaringotra tamin’ny raharaha fitaterana sy fiondranana an-tsokosoko saika hihazo an’i Mayotte ny 23 oktobra lasa teo no naiditra am-ponja vonjimaika.

 Fitaterana tsy ara-dalàna sy vono olona an-kolaka no hanenjehana azy ireo. Miisa 12 izy ireo no niakatra fampanoavana tao Nosy Be ny talata teo, ka ny 10 ireo nidoboka any am-ponja ireo, ary ny 2 izay tsy ampy taona kosa dia arahi-maso ara-pitsarana. Tsiahivina, fa ny 2 novambra lasa teo no hita teny an-dranomasina izy ireo, olona 16 teo tao tao anatin’ny sambokely iray izay voalaza fa nisy fahasimbana, efa tena reraka sy mosarena satria tsy nisy hanin-ko hanina. Efa ny 23 oktobra rahateo no voalaza fa niainga avy tao Ambanja, saingy nihitsoka teny afovoan-dranomasina. Voalaza fa 20 no tao anatin’ny sambokely, saingy matin’ny hanohanana ny 4 ka nisy natsipy tany anaty rano. Razana iray sisa no tao anatin’ny sambokely tamin’ny fotoana nampiakaran’ny tafika an-dranomasina azy ireo an-tanety. Tsiahivina hatrany, fa tsy vao tranga voalohany tamin’ny fiondranana an-tsokosoko ity sarona ity. Ny tena nitovitovy tamin’io dia ilay tamin’ny oktobra-novambra 2020, nisiana sambokely simba teny afovoan-drano, ka olona miisa 8 tamin’ireo mpandeha 21 tao anatiny no maty ary natsipy tany anaty rano. Tato anatin’ny roa volana, tsy latsaky ny 100 ny olona sarona tamin’ny fiondranana an-tsokosoko, ka nisy mbola taty amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara ary nisy efa tonga tany Mayotte.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT