Actualités

Fiompiana Hasiana kavina tsy azo atao hosoka ny omby


  • Alakamisy 29 Aprily 2021

Taorian’ny pilin’omby na “puce électronique” dia miala any indray ny kavin’omby elektronika. Ny tetikasa LITS na

 

 

 “Livestock Identification and Traceability System” eo anivon’ny ministeran’ny fambolena sy fiompiana ary ny jono no hanatanterahana azy io hanatsarana ny sehapihariana omby indrindra fa ny fanaraha-maso sy ny rafitra fanjohiana ny omby amin’ny alalan’ny fametrahana ny kavin’omby elektronika. Tsy azo anaovana hosoka izy ity, ahitana ny antontan’isa sy antontam-baovao rehetra mahakasika ilay omby, ny fahasalamany toy ny vaksiny vitany sy ny toerana nandalovany. Hifameno amin’ny pilin’omby ny kavin’omby na amin’ny fanaraha-maso na amin’ny fampanarahana ny biby fiompy. Amin’ny fanombohana dia kavina miisa 100.000 no hapetaka any amin’ny faritra Anosy sy Androy ary Atsimo Andrefana sy Ihorombe. Apetaka amin’ny ravin-tsofina roa amin’ny omby ny kavina, ary ny omby tsirairay dia samy manana ny kavina. Araka ny fanazavana dia maimaimpoana ny fametrahana azy ary ireo mpiompy izay manana ny angona ka maniry ny hametahana kavina ny ombiny dia afaka misitraka izany.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT