Mamita iraka eto Madagasikara ny delegasiona avy amin’ny UNICEF na ny Tahirin’ny Firenena Mikambana misahana ny ankizy,
tarihin’ny Talem-paritra misahana ny faritra Atsinanana sy Atsimon’i Afrika, Andriamatoa Mohamed Moustapha Malick Fall, ary nihaona tamin’ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta, Ntsay Christian, teto Mahazoarivo, omaly maraina.
Mifanaraka amin’ireo laharam-pahamehan’ny rafitra anivon’ny Firenena Mikambana, indrindra ny Unicef, hoy Andriamatoa Mohamed Moustapha Malick Fall, ireo laharam-pahamehan’ny Governemanta nampahafantarin’ny Praiminisitra, nandritra ny dinika nifanaovan’ny roa tonta, hoy ny tatitry ny Fiadidian’ny Primatiora. Anisan’izany ny mahakasika ny ankizy sy ny fahasalamana. Ankoatra izay, manoloana ireo loza voajanahary mifandraika amin’ny fiovaovan’ny toetrandro, raha toa ka asa mandritra ny hamehana no natao hatrizay, dia hifantohana bebe kokoa ny fanomanana mialoha an’ireo vondron’olona sy ny mponina mba hahafahan’izy ireo miatrika ireo loza samihafa izay hita sy tsapa fa miverimberina saiky isan-taona. Manan-danja eo amin’ny fiaraha-miasan’ny Unicef sy ny firenena Malagasy io lafiny io, hoy ity talem-paritry ny Unicef ity, hoy ny fampitam-baovao. Ankoatra io, notanterahina omaly ihany koa ny fivoriana teo amin'ny Minisitry ny Fahasalamana Pr. Zely Randriamanantany sy ny ekipan'ny UNICEF izay notarihan'ny talen'ny UNICEF Atsimon’i Afrika sy ny Solontenan'ny UNICEF eto Madagasikara, Atoa Jean François Basse izay niresahana ireo tetikasa iombonana toa ny ady amin'ny Covid-19 ary ny fahasalamanan'ny reny sy ny zaza.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.