Mahazatra hatramin’izay ny manaraka fiofanana iarahan’ny daholobe rehefa misy taranja na sampam-pianarana iray tiana hofehezina.
Ity fomba fampiofanana ity rahateo no hany tolotra aroson’ireo sekoly na ivontoerana marobe misandrahaka eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao raha ny taranja informatika no resahina. Amin’ny ankapobeny dia maharitra am-bolana maro na an-taonany aorian’ny fianarana vao azo ny maripahaizana. Anisan’ny mampiavaka ny fanovozana fahalalana omen’ireny toeram-pampianarana matihanina amin’ny solosaina ireny ihany koa ny fanolorana fandaharam-potoana efa voafaritra mialoha mandritra ny taom-pianarana ka anjaran’ny mpiofana no mandamina ny fotoana mety aminy.
Ho an’ny tale mpanorina ny Informatic Training Center, Randrianarivelo Ordan kosa dia ahitana fahombiazana kokoa ny mianatra informatika mandeha isam-batan’olona satria sady manana fotoana malalaka ny mpiofana no hita tsara ny fivoarana ao anatin’ny fe-potoana voafetra hianarany mandritra ny 60 andro. Efa hatramin’ny taona 1990 no niaina tao anatin’ny tontolon’ny informatika ity tompon’andraikitry ny sekoly eny Andravoahangy ity ary ireo traikefa hananana izay indrindra no naha tapa-kevitra azy hanokatra ny ITC tamin’ny fiandohan’ny taona 2012. Nivoaka tamin’ny sabotsy 27 jolay 2013 lasa teo moa ireo mpiofana nandritra ny 2 volana 40 mianadahy andiany faha-8 tao amin’ity ivontoerana ity.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.