Actualités

Finday hosoka – IMEI hosoka Finday 63 no sarona ary nopotehina avy hatrany


  • Talata 02 Febroary 2021

Ho famafisana ny ady amin`ireo finday hosoka na misy IMEI hosoka ny ARTEC

 

 

 


dia manohy hatrany ny fanaraha-maso eo anivon’ ireo mpaninjara ho famongorana ireo finday hosoka na tsy manana IMEI voamarina. Finday miisa 63 hosoka indray no sarona tamin’ny mpivarotra iray teto an-dRenivohitra. Nopotehina teo anatrehan’ireo tompon’andraikitry ny ARTEC, sy ireo mpisehatra voakasik`izany (ladoany, ny solontenan’ny mpivarotra mpaninjara nahatrarana ny entana, sns…) ireo finday hosoka ireo. Ho fiarovana hatrany ny mpampiasa ny fifandraisan-davitra sy fampiharana ny didim-panjakana laharana 890/2018 mamaritra ireo fepetran’ny fitaovam-pifandraisan-davitra finday hosoka (...), no anton` ny fanaraha-maso ataon` ny ARTEC.“ Ilaina ny fanentanana hatrany ny tsirairay ny amin’ny loza ateraky ny fampiasana azy ireny, satria ny finday hosoka dia tsy manaja ny fetran’ny tara-pifandraisana farany ambony nahazoan-dalana,mety ho zakan’ny olom-belona, izay miteraka fiatraikany ratsy ho an’ny mampiasa azy” araka ny namabaran’ny teknisiana eo anivon’ny ARTEC.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT