Mafy ho an’ny sehatra tsy miankina eto amintsika ny miaina krizy lavareny nefa afaka mihoatra hatrany ny orinasa ary mety afaka mampitombo ny ambaindainy aza rehefa misy fikirizana.
Mahatsapa ny filohan’ny Antenimieran’ny varotra frantsay sy Malagasy André Beaumont fa noho ny firaisankina ananan’ny mpandraharaha miasa eto Madagasikara no ahafahany manohy ny asany sy tsy maharendrika tanteraka ihany koa ny toekarem-pirenena tao anatin’izay efa-taona izay. “Hafatra mafonja miantefa amin’ny mpanao politika avy amin’ny tontolon’ny fandraharahana io”, hoy i Gilles Couapel, filohan’ny Club Export Réunion. Mandray anjara mavitrika amin’ny FIM misokatra manomboka anio ry zareo anatin’ity fikambanana mpandraharaha Renioney ity ka nandefa delegasiona olona 85 avy amin’ny orinasa 38. Niampy 15 ry zareo raha oharina tamin’ny taon-dasa. Raha ny fanazavan’i Gilles Couapel dia mihamaro hatrany ny orinasa Renioney mampiasa vola eto Madagasikara amin’ny sehatr’asa isan-karazany ary nanampy betsaka tamin’ny fanapahan-keviny ny fihaonany mivantana tamina mpandraharaha eto an-toerana nandritra ny hetsika FIM teo aloha.
Mahatratra 90 ireo fihaonana mivantana amin’ny Malagasy sy Renioney amin’ity andiany ity araka ny voaomana anaty fandaharam-potoana. “Amin’ireo sehatr’asa mbola malalaka no idiran’ireo mpandraharaha Renioney ka tsy manana mpifaninana ry zareo. Maromaro ny fifanaraham-piaraha-miasa azony tamin’ny 2012 raha tsy hilaza afa-tsy ny tamin’ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany”, hoy i François Mandroux, lefitra voalohan’ny Club Export raha nanampy fanazavana ny antony mahasarika azy ireo ho avy maro amin’ity FIM ity ny tenany. Tsy ry zareo vahiny ihany anefa no mahazo tombony amin’ny hetsika fa ny Malagasy indrindra ihany koa. Mpandraharaha avy amin’ny vazantany efatra no mandray anjara amin’ny FIM ary na ry zareo avy ao La Réunion aza dia miaiky fa efa manana ny lazany erantany izy ity. Manokatra ny lalana amin’ny tsena Eoropeanina ny fiombonana amin’ny sehatra tsy miankina ao La Réunion amin’ny maha departemanta frantsay azy izany hoe ao anaty Vondrona Eoropeanina. Manatanteraka famelabelaran-kevitra momba ny fenitra takian’ny tsena Eoropeanina rahateo ny sampandraharaha iray misahana manokana momba izany anio tolakandro eny Tanjombato ho an’izay liana. Efa miara-miasa amin’ity farany ny orinasa Socolait izao.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.