Hotanterahina etsy amin'ny Parc des expositions Forello Tanjombato ny 15 ka hatramin'ny 18 mey ho avy izao ny andiany faha-9 amin'ilay foara iraisam-pirenena eto Madagasikara na ny FIM.
Velaran-tany 12ha no hampiasaina amin'izany ka ny 2/3 -n'io dia natokana ho an'ireo mpandraharaha Malagasy avokoa. Tokony hohetsehina amin'izay ireo mpandraharaha tsy miankina malagasy raha araka ny fanazavan-dRamiaramanana Michel Dominichini, filohan'ny FIM. Tafiditra ao anatin'izany ny fampandraisana anjara azy ireo amin'ny fikarakarana ny resaka angovo mba hahatonga an'i Madagasikara hiaina anaty fampandrosoana maitso no sady hahaleotena ihany koa. Olana hatrany mantsy ity resaka angovo ity. Hisy ihany koa ny fampihaonana mivantana ireo mpandraharaha vahiny sy malagasy mandritra izany hanatsarana ny fifanakalozana ara-barotra efa misy eo amin'ny roa tonta.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.