Tsy handray anjara amin’ny fanaovana karatra maha mpanao gazety
karakarain’ny minisiteran’ny serasera, tsy hirotsaka hofidiana amin’ny fifidianana holafitry ny Mpanao gazety ny holafitry ny mpanao gazety (OJM) ankehitriny, hoy ny Filohany Atoa Gérard Rakotonirina ny sabotsy teo. Nambarany fa mandeha ny tetiky ny Ministeran’ny serasera sy kolontsaina (MSK) hifahezana sy hangejana ny rafitry asa fanaovan-gazety sy hamotehana ny OJM. “Ny iraka napetraka tamiko dia ny hanimba ny holafitry ny mpanao gazety, mba hiverenan’ilay izy amin’ny Fanjakana ka tsy mety amiko izany. Izay nahatonga ahy hiala tao anatin’ny Kabinetran’ny Minisitra”, hoy i Didi Ratsimbazafy Filoha lefitry ny OJM. Raha 15 ny mpikamban’ny Biraon’ny OJM amin’izao, dia tsy maintsy manana lisitra 88 manerana ny Nosy vao afaka mirotsaka. Tsy misy afatsy mpanao gazetin’ny TVM sy RNM anefa ny ankamaroan’ny faritra, ary mpiasa ECD ny ankamaroany, izay tsy ho sahy hirotsaka amina lisitra ivelan’ny kandidam-panjakana satria matahotra ho voaroaka. Noho izany, rehefa niara-nivory tamin’ny fikambanan’ny mpanao gazety samihafa, dia hiroso amin’ny fananganana karazana rafitra vaovao dia ny kaonfederasionin’ireo fikambanan’ny mpanao gazety eo anatrehan’ny tetika fangejana, hoy ny Filohan’ny OJM ; tsy azo atao ny mitazam-potsiny fa tsy maintsy mijoro isika hoy izy. Tsy manakana ny mpanao gazety tsy haka karatra lazain’ny Ministera anefa izany. Notsipihiny, fa holafitra sy sendika samihafa dia tsy misy fitsabahan’ny ministera izany, toy ny holafitry ny mpitsabo, holafitry ny mpisolovava,… manana ny fahaleovan-tenany manokana. Zarazaraina sy raisina ho fahavalo ny mpanao gazety, toy ny fandrahonana ny mpiasan’ny haino aman-jerim-panjakana tsy handray ny arotava sy “gél désinfectant” ho an’ny mpanao gazety avy amin’ny OJM izay nomen’ny UNICEF. Ny Minisitry ny serasera izay mpanao gazety no mamotika ny mpanao gazety namany. Ny tale isam-paritra dia avy amin’ny antoko Freedom hanomezana tombondahiny ny antokony, ka sao ho tratran’ny hoditr’akondro eo Atoa Filohan’ny Repoblika fa hoditr’akondro ho azy io, hoy i Gérard Rakotonirina.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.