Filohan’ny CES

> Nipoahan’ny grenady teo akaikin’ny tranony


  • Zoma 27 Septambra 2013

Tsy milamina ny tany ! Nipoaka tsy lavitry ny trano fonenan’ny filohan’ny Fitsarana manokana misahana ny fifidianana na CES, ny mpitsara Rakotozafy François, etsy amin’ny 67ha Avaratra Andrefana ny grenady ny alakamisy 26 septambra tokony ho tamin’ny telo ora sy sasany maraina.

Mahery vaika ny fipoahana ka nampihovitrovitra ny trano ary koa nanaitra ny mponina manodidina. Tsy nisy ny aina nafoy na naratra na zavatra simba, ankoatra ny rindrin-tranon’olona nipitihan’ny potika grenady rehefa nipoaka. Grenady fampiasan’ny mpitandro ny filaminana izy ity, hoy ny Polisy nandray an-tanana ny raharaha. Mbola nisy kojakoja tavela rahateo teo amin’ny toerana nipoahany, izay hanampy ireo mpanao fikarohana ny toerana nivoahan’ilay grenady. Misy zandary efa-dahy miambina eo amin’ity trano fonenan’ny filohan’ny CES ity, izay sarotra ihany ny hino fa tsy nahatsikaritra zavatra hafahafa teny manodidina izy ireo, raha tsy hoe angaha samy resin-tory ? Nosokafana avy hatrany moa ny fanadihadiana ka dia andrasana ny vokatr’izany.

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT