Taorian’ny fanambarana mikasika ny faneken’ireo filoham-pokontany 7 ny fankasitrahan’izy ireo ny fitrandrahana ataon’ireo sinoa ao Soamahamanina ny 21 jona lasa teo dia nisy ireo solontenan’ny
vahoaka izay nilaza ny efa tafaresaka tamin’ny sasantsasany tamin’ireto filoham-pokontany ireto. Araka ny fitantaran’izy ireo dia entana ilaina amin’ny andavanandro (PPN) toy ny vary sy menaka miampy zava-pisotro sy vatomamy no nividianana ireo filoham-pokontany ireo mba hanekeny io fitrandrahana io. Amin’izao fotoana izao moa dia fantatra fa ny iray tamin’ireo sefo fokontany ireo ihany amin’izao fotoana izao no efa nanao fanambarana tamin’ireo vahoaka fa efa hiverina hanohana ny hetsika fanoherana ilay fitrandrahana. Nanambara ihany koa ity farany fa nisy ny fanerena natao azy ireo hanaiky io asan’ny sinoa ao Soamahamanina io.
Faralahimatoa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.