Filoha sovietika

> 1 miliara Ar ny vidin’ny famantaranandrony


  • Alakamisy 27 Febroary 2014

Maro ihany ireo hadalana ataon’ny filoham-pirenena afrikanina fa ny an’ingahy Vladimir Poutine, filoham-pirenena Sovietika kosa dia hafa mihitsy.

Mpakafy an’irony famantaranandro raitra irony mantsy ny lehilahy ka tsy mitsitsy mihitsy mividy azy ireny. Raha araka ny vaovao voaray dia fantatra fa famantaranandro iray antsoina hoe “Tourbograph Lange &Sohne” no novidiany 1 miliara Ariary. Ny manahirana amin’ity resaka ity dia noho ity filoha ity manizingizina amin’ny mpiray tanindrazana aminy fa dia tsy mangalatra na ariary aza fa dia mivelona amin’ny karamany izay mitentina 200 tapitrisa Ariary mahery kely isan-taona. Ankoatra an’io anefa dia marihina fa mbola manana famantaranandro vitsivitsy izay mitentina 800tapitisa Ariary i Poutine.

Raha ny fiainana misy any Rosia aloha ankehitriny dia azo lazaina fa firenena mampisalasala ihany amin’ny fandalana ny demokrasia. Tsy dia azo atao loatra mantsy ny manakiana fitondrana fa tonga dia mahita faisana amin’ny figadrana ireo mpanohitra. Raha tsy hitanisa fotsiny afa-tsy ilay mpilalao “échec” malaza Kasparov sy ireo mpihira vehivavy malaza “PussiRiot” izay anisan’ireo olona mba sahy mijoro nanakiana ny fitondrana. Ny mpanohitra moa izay mitaky hatrany ny fizarana ara-drariny ireo vola azo amin’ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany any an-toerana satria lasa marobe ireo Havana sy naman’ny filoha no lasa mpanefoefo eran-tany nefa ny vahoaka madinika dia mbola any amin’ny roa hetsy Ariary ny karamany.

Raha ingahy Barack Obama, filoha amerikanina, ohatra, dia mitentina 500.000 Ariary ny vidin’ny famantaranandrony. Izany fomba fiainany izany ve no tena mampandroso an’i Etazonia ?

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakĂ na

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT