Tsy andavanandro tsy faran’ny volana fa dia filaharana lava no hita eny amin’ny banky.
Na amin’ireny DAB (Distributeur Automatique de Billets de Banque) izany, indrindra fa amina «caisse» dia milahatra. Tsy mba banky iray, fa dia saika ireo misy eto Madagasikara no ahitana filaharana io, indrindra fa raha handray vola izay. Maha te hilaza hoe kinga ry zareo raha misy tombontsoa alainy amin’ny mpanjifany, fa malaina kosa rehefa handoa vola, toy ny hoe karama sa fahafinaretan’ny banky mihitsy ny mahita olona maro milahatra ao aminy hisehoana fa mahasarika sy itokisan’ny olona izy. Sarobidy ny fotoana, indraindray anefa dia mila ho ora iray mihitsy no lany ilaharana vola eny amin’ny banky sasany, manoatra noho ny fahita any amin’ny Trésor na Perception ireny. Fa ny loza dia ny tsy fandriampahalemana. Miteraka fankampanahy ho an’ny mpanendaka ny fahitana olona milahatra amina toerana fakana vola. Tsy vitsy no efa lasibatra vao mivoaka ireny toerana ireny.
Efa tafiditra tsikelikely anatin’ny kolontsain’ny Malagasy ny mametraka vola any banky noho ny mitahiry izany ao an-trano na mametraka vola amin’ny omby na zavatra hafa, iaraha-miaina rahateo ny tsy fandriampahalemana. Mety hampihemotra ary tsy hamparisika ny olona ho amin’izany anefa ny tolotra omen’ny banky sasany, izay raha tokony hanala fahasahiranana sy hanamora ny asan’ny mpanjifa dia matetika fahasorenana indray no aterany.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.