Actualités

Filaharam-ben’ny hazavana Niainga teto Antananarivo omaly


  • Alarobia 09 Desambra 2020

Raikitra ilay filaharamben’ny hazavana, karakarain’ny JIRAMA. Omaly talata 08

 

 

desambra no niainga tetsy amin'ny JIRAMA Ambohimanambola, Antananarivo ireo fiara hanatanteraka izany hitondra ireo hazavàna LED COBRAS hapetaka manerana ireo renivohitry ny distrika mbola tsy nisitraka izany. Hatolotra ny manam-pahefana any an-toerana isan-tsokajiny izany ary aorian'ny lanonana fohy fampahafantarana ny hetsika dia hiroso amin'ny fametahana avy hatrany ny JIRAMA. "Hazavàna ho an'ny rehetra" no tanjona ka hisitraka izany avokoa ireo renivohitry ny distrika rehetra manerana ny Nosy hatramin'ny faran’ity taona ity. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia renivohi-paritany miisa 50 ihany koa no hisitraka hazavàna an-dalam-be. Vokatry ny fiaraha-miasan'ny JIRAMA sy ny Ministeran'ny Angovo ary ny Akoranafo no angady nananana izany. Tanjona ny hahafahana miady amin’ny tsy fandriam-pahalemana sy hiarovana ny ain’ny vahoaka, ankoatra ny fanomezana endrika ny tanana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT